Tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe no nanatanterahana ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Basketball U18 sokajy zazavavy, ny 06 aogositra 2022.
Tonga nanome voninahitra ary nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra ity lalonana ity ireo mpiara miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihin-dRamatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahatena.
Manga ny lanitra eo amin’ny FIBA Afrika sy Madagasikara ary mipetraka tanteraka ny fifampitokisana, manaporofo izany ny fisian’ity Afrobasket ity aty amintsika taorian’ireo 5 voalohany.
Nampita ny teny firariantsoa ho an’ny delegasiona rehetra ihany koa ny tenany ary indrindra ho an’ireo ekipa nasionaly ANKOAY vehivavy.
Tombony eo amin’ny fanomanana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fandraisantsika ny lalaon’ny Nosy afaka fotoana fohy ny fampiantranoan-tsika ity hetsika ara-panatanjahantena lehibe ity . Indrindra indrindra ny fanomezana sehatra ny Faritra hampiantrano toy izao ataontsika aty amin’ny faritra Vakinakaratra aty izao.
Izany koa dia manaporofo ny maha zavadehibe ny fametrahana foto-drafitrasa manara-penitra any amin’ny distrika sy faritra izay efa ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny hahafahan’izy ireo misitraka fampiantranoana lalao iraisam-pirenena toy izao.