Lalao miverina: Madagascar 🇲🇬 6 – 2 🇸🇨 Seychelles
Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea Beach Soccer tafiakatra handray anjara amin’ny CAN Beach Soccer izay hatao any Mozambique ny 21 hatramin’ny 29 oktobra 2022.
Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy ireo manampahefana teo an-toerana izay nahitana ny Filoha Lefitrin’ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Faritany Mahajanga, ny Solombavambahoaka RAHANTANIRINA Lalao dit Nina sy ny Governora ny Faritra Boeny, Andriamatoa Mokhtar Salim ANDRIATOMANGA, ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, ary ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra.