Tonga nanao fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy ny Governoran’ny faritra Boeny, Andriamatoa Mokhtar Salim ANDRIATOMANGA, sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana toy ny Préfet ny Mahajanga, Andriamatoa Lahanaina RAVELOMAHAY, ary ny PDS ny tananan’i Mahajanga, Ramatoa Tonganirina VELOMARY, ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena izay notarihan’Andriamatoa RALAIVAO Lovatiako, Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisitera, ny 10 Aogositra 2022.
Nandritra ny fihaonana no niresahana mahakasika ny fiofanana ho an’ireo tanora avy amin’ny distrika maro samihafa ny « LIFE SKILLS FANOITRA » ary indrindra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora izay hankalazaina ny faha- 12 aogositra 2022 izao ao an-tampon’ny tananan’i Mahajanga.