MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

MAHAJANGA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Notanterahana tao Mahajanga ny 09 hatramin’ny faha 11 Aogositra 2022 ny fampiofanana mahakasika ny « Life Skills Fanoitra » na ny fahalalana fototra ho entina mahomby eo amin’ny fiainana ho an’ny Tanora.

Tanora avy amin’ny distrika 18 eto Madagasikara no nanao ny famolavolana sy ny fampiharana ny programa Fanoitra, izay tetik’asa hanohanana ny Tanora ho ivon’ny fampandrosoana eny ifotony.

Fampianarana mba hanana Vina ahafahan’ireo tanora hitsinjo lavitra amin’ny fiainana no tanjona amin’izany. Nofanina hanana « vinam-pihariana ho an’ny fizakan-tena manokana », « Vina ara-tsosialy » ary « vinan’andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina » izy ireo ahafahany manomboka ny fanovana eny ifotony avy hatrany.

Noresahana nandritra izany ny :

– Ady amin’ny vohoka aloha loatra

– Ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy na amin’ny mahalahy sy amin’ny mahavavy.

– Fanabeazana sy fandriam-pahalemana

– Ady amin’ny kolikoly

– Tontolo iainana sy tsy fanjarian-tsakafo ary ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

– Fanatanjahantena sy fialamboly iatrehana ny ady amin’ny zava- mahadomelina.

Tohin’ny asa izay efa natomboka tao Betroka, distrika filamatra amin’izany programa Fanoitra izany, ity fampiofanana ity, ary hapariaka manerana an’i Madagasikara.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...