MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA : 12 Aogositra

Tamin’ny 17 Desambra 1999 no nankatoavina tao amin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora ny faha-12 Aogositra mba:

– hahafahan’izy ireo mampita ny hetahetany amin’ny fampandrosoana.

– hahafahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mamaly izany hetahetan’ny tanora izany.

Ho antsika teto Madagasikara manokana dia notanterahana tao amin’ny « Samirah Hotel » Mahajanga ny dinidinika fifanakalozana teo amin’ny tanora sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izay notarihan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritra ny fifanakalozana no nanambaran’ireo tanora an-tatitra ny vokatry ny fiofanana izay nahafahana namoaka fanamby sy drafitr’asa azo tanterahana sy ho tratrarina ao anatin’ny erintaona. Tanora avy amin’ny distrika 17 no nandray anjara tamin’izany.

Tonga nanome voninahitra izany ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana izay notarihan’Andriamatoa Salim Mokhtar ANDRIATOMANGA, Governoran’ny faritra Boeny ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Autre Articles

LUTTE : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

LUTTE : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Lutte, Andriamatoa RAVELOSON Mamitiana, ny 24 martsa 2023. Voaresaka nandritra izany ny...

RUGBY: TERRES EN MÊLÉES

RUGBY: TERRES EN MÊLÉES

Tonga namaly ny fanasana avy amin'Andriamatoa Arnaud GUILLOIS, masoivohon'ny Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, izay nitsodrano ireo ekipa U18 avy amin'ny Association Terres en Mêlées izay hiatrika ny fifaninanana "Tournoi AROI" (Association de Rugby de l'Océan...

TARANJA FOOTBALL: FITSIDIHINA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA FOOTBALL: FITSIDIHINA ARA-POMBA OFISIALY

Nandray ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Football, Andriamatoa Victorien ANDRIANONY, tao amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 20 martsa 2023. Voaresaka nandritra izany ny...

TARANJA KICK BOXING : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA KICK BOXING : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga niarahaba sy nirary soa an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, amin'izao nanendrena azy hitantana ny Minisitera izao ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Kick Boxing, Andriamatoa LYLISON René de Roland sy ireo mpiara-miasa aminy, ny faha 20...

TARANJA LOMANO : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA LOMANO : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga niarahaba sy nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny taranja Lomano, Andriamatoa Gabriel RAMANANTSOA, ny 20 martsa 2023 Voaresaka nandritra izany ny fanomanana ireo Atleta amin'ny...

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAO MANDROSO BAREA CAN 2023

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAO MANDROSO BAREA CAN 2023

Nanatanteraka fivoriana momba ny fanomanana ny fampiantranoana ny Lalao mandroso ny Barea CAN 2023 niaraka tamin'ny Federasiona Malagasy ny taranja Baolina kitra ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ireo...