Tamin’ny 17 Desambra 1999 no nankatoavina tao amin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora ny faha-12 Aogositra mba:
– hahafahan’izy ireo mampita ny hetahetany amin’ny fampandrosoana.
– hahafahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mamaly izany hetahetan’ny tanora izany.
Ho antsika teto Madagasikara manokana dia notanterahana tao amin’ny « Samirah Hotel » Mahajanga ny dinidinika fifanakalozana teo amin’ny tanora sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izay notarihan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Nandritra ny fifanakalozana no nanambaran’ireo tanora an-tatitra ny vokatry ny fiofanana izay nahafahana namoaka fanamby sy drafitr’asa azo tanterahana sy ho tratrarina ao anatin’ny erintaona. Tanora avy amin’ny distrika 17 no nandray anjara tamin’izany.
Tonga nanome voninahitra izany ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana izay notarihan’Andriamatoa Salim Mokhtar ANDRIATOMANGA, Governoran’ny faritra Boeny ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.