MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA : 12 Aogositra

Tamin’ny 17 Desambra 1999 no nankatoavina tao amin’ny fivoriamben’ny firenena mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora ny faha-12 Aogositra mba:

– hahafahan’izy ireo mampita ny hetahetany amin’ny fampandrosoana.

– hahafahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mamaly izany hetahetan’ny tanora izany.

Ho antsika teto Madagasikara manokana dia notanterahana tao amin’ny « Samirah Hotel » Mahajanga ny dinidinika fifanakalozana teo amin’ny tanora sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izay notarihan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritra ny fifanakalozana no nanambaran’ireo tanora an-tatitra ny vokatry ny fiofanana izay nahafahana namoaka fanamby sy drafitr’asa azo tanterahana sy ho tratrarina ao anatin’ny erintaona. Tanora avy amin’ny distrika 17 no nandray anjara tamin’izany.

Tonga nanome voninahitra izany ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana izay notarihan’Andriamatoa Salim Mokhtar ANDRIATOMANGA, Governoran’ny faritra Boeny ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....