MADAGASCAR 54 / 81 EGYPTE
Miarahaba ny ekipan’i EGYPTE sokajy lehilahy ary ny ekipan’i MALI sokajy vehivavy voahosotra tompondakan’i Afrika nandritra ny fiadiana ny Afrobasket U18, izay natao ny faha 04 hatramin’ny 14 Aogositra 2022.
Tonga nanome voninahitra ity lalao famaranana ity ny Minisitrin’ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, notronin’ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
Voalohany teo amin’ny tantaran’ny afrobasket U18 (5×5) no niatrika lalao famaranana teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika i Madagasikara, ary handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taona 2023. Mankasitraka ny ezaka vitan’ireo atleta sy ny mpanazatra nanao ny ezaka rehetra ary misaotra ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ity fifaninanana ity. Miarahaba ihany koa ny Federasionina Malagasy ny taranja basket ball tamin’ny fikarakarana ireo atleta Malagasy nandritra izany ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tsy ankanavaka miara-miasa ho fapandrosoana ny fanatanjahantena Malagasy.
Miarahaba manokana ihany koa an’i M’MADI Mathias, mpilalaon’ny ANKOAY Madagasikara izay voahosotra mpilalao mendrika sy nahatafiditra baolina be indrindra nandritra ity fifaninanana ity.