Taorian’ny lalao dia nisy ny fihaonana teo amin’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto sy ireo mpikambana ao amin’ny FIBA AFRICA izay notarihan’ny Filohany, Andriamatoa Anibal Manave.
Nampita ny fiarahabana an’i Madagasikara ny FIBA Africa tamin’ny fandraisana sy fikarakarana ity Afrobasket zazavavy sy zazalahy ity izay tena nahafinaritra sy nirindra tsara ary tena nahafapo tamin’ny lafiny rehetra. Nandritra izany ihany koa no nanambarany ny faniriany handraisan’i Madagasikara ny AFROCAN amin’ny taona 2023.
Nampita fisaorana avy amin’ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ny amin’ny fametrahana fitokisana amin’i Madagasikara. Ary nampita ihany koa ny fahavononan’ny Fanjakana hanohana sy hanampy ny Federasiona Malagasy ny taranja Basket Ball amin’ny fampandrosoana ny taranja sy fandraisana ireo lalao iraisam-pirenena hafa amin’ny ho avy.