Natao ny 20 Aogositra 2022 tao amin’ny kianja Maitre Kira Toliara, ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena iraisan’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), izay atao ny 20 Aogositra hatramin’ny 04 Septambra izao.
Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, izay notronin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Lalàna Sosialy, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, no niarahabany ireo rehetra tonga soa eto amin’ny tananan’ny Masoandro. Nitondra ny teny fisaorana amin’ny ezaka izay ataon’ny fitondram-panjakana tarihin’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny fanohanana ny ASIEF ny tenany nandritra izany.
Tsy adinony ihany koa ny nankasitraka ireo mpandray anjara tonga maro amin’ity fifaninanana ity.
Mikendry ny fahasalamana sy ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana no tanjona amin’ny alalan’ny ASIEF izay mampisongadina ny soatoavina fonosin’ny Fanatanjahantena izay mampiray ny mpiasam-panjakana ao anatin’ny faritra 23 sy ireo Minisitera maro samihafa.
Teo am-pamaranana dia nanolotra fisaorana lehibe ho an’ny mpikarakara ity fifaninanana ity sy ny mpiasam-panjakana rehetra ny tenany ka mirary hahavita soa ny fifaninanana ary asehontsika maneran-tany fa modely tokoa ny mpiasam-panjakana malagasy.