MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

CHAN 2022 : FITSENANA NY EKIPAM-PIRENENA BAREA

CHAN 2022 : FITSENANA NY EKIPAM-PIRENENA BAREA

Nigadona ny faha 05 Febroary 2023 tamin'ny 1h30 tolakandro teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny ekipam-pirenena Malagasy BAREA izay niady sy naneho lalao tsara nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, izay natao tany Algérie ary nahazo ny laharana fahatelo aty...

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...