MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA

Ny 21 septambra 2022 no andro natokana hanamafisana ireo foto-kevitra manodidina ny fandriam-pahalemana sy ny tsy fanaovana herisetra izay notanterahana tetsy amin'ny Maison commune des Nations Unies, Andraharo. "Manorina fandriam-pahalemana, manafoana ny...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY ALAVOLY SY NY FIALAMBOLY.

FIOFANANA MAHAKASIKA NY ALAVOLY SY NY FIALAMBOLY.

Notanterahina ny 16 septambra 2022 tetsy Ankorondrano ny fampiofanana izay natokana ho an'ireo Tanora avy ao amin'ny FIMPITENOTA, Fikambanan'ny Mpianatra Terak'i Nosy Be eto Antananarivo. Nahitana mpikambana lahy sy vavy miisa 22, izay mpianatra eny Ankatso, CNTEMAD,...

FORUM D’CLIC PRO

FORUM D’CLIC PRO

Tanterahina ny faha 15 hatramin'ny 16 septambra 2022 ao amin'ny "Mining Business Center" Ivato ny fifanankalozan-kevitra "D-CLIC PRO" izay mitondra ny lohahevitra "Fahafahana mampiofana sy fampananan'asa ho an'ny tanora ary fahaiza-manao ara-nomerika ho fampandrosoana...

TARANJA ATLETISMA : CATO CLUB BEZAHA

TARANJA ATLETISMA : CATO CLUB BEZAHA

Tonga nijery ireo atleta 6 mianadahy avy ao amin'ny CATO CLUB Bezaha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny 8 septambra 2022 ary avy hatrany dia nandray ny andraikitra mahakasika ny fodian'ireto atleta izay tokony hamonjy ny...

JMJ MADA X

JMJ MADA X

Notanterahina ny faha 04 septambra 2022, tao Antsahatanteraka Antsirabe ny lamesa famaranana ny JMJ andiany faha 10. Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta...

YOUTHCONNEKT AFRICA 2022

YOUTHCONNEKT AFRICA 2022

Au cours des 6 dernières années, le sommet Youthconnekt Africa, organisé pour la première fois à Kigali en 2017, est devenu le plus grand rassemblement annuel d'Afrique qui relie les jeunes de tout le continent et au-delà aux influenceurs politiques, aux dirigeants...