MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

FIKAONANDOHA NASIONALY NY FANABEAZANA

FIKAONANDOHA NASIONALY NY FANABEAZANA

Tontosa ny 01 sy 02 aogositra 2022 ny fikaonandoha nasionaly mikasika ny fanabeazana ho an’ny fanavaozana hatrany ifotony ny rafim-pampianarana misy eto Madagasikara. Hoentina hanatsarana ny fanabeazana no tanjona amin'ity atrikasa ity izay iarahanan'ireo Minisitera...

FOOTBALL : QUALIFICATION CHAN 2023

FOOTBALL : QUALIFICATION CHAN 2023

Miarahaba ny ekipam-pirenena Barea CHAN tafiakatra amin'ny dingana farany amin'ny lalao fifanitsanana ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika CHAN 2023. Madagascar 🇲🇬 3-0 🇸🇨 Seychelles 90' Tsilavina Drogba 66' Rinjala 5' Tsilavina Drogba...

TARANJA TEQBALL : FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TARANJA TEQBALL : FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notontosaina ny 29 hatramin'ny 30 Jolay 2022, tetsy amin'ny Kianja mitafo Ankorondrano ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja "Teqball". Tonga nanome voninahitra izany fifaninanana izany, ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon'ny Minisiteran'ny...

FOTODRAFITRASA ARA-PANATANJAHANTENA

FOTODRAFITRASA ARA-PANATANJAHANTENA

Ankoatra ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fandraisana ny Afrobasket U18 vehivavy hatao ao Antsirabe dia nohararaotina ihany koa ny fotoana mba hitsidihana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena sy nijerena ny fandrosoan'ny asa. ANTSIRABE: Kianja mitafo ao Vatofotsy...