MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

FORUM SUR L’EMPLOI ET LE DÉVELOPPEMENT DES JEUNES

FORUM SUR L’EMPLOI ET LE DÉVELOPPEMENT DES JEUNES

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenena mahakasika ny asa sy ny fampiroboroboana ny tanora, teny amin’ny CCI Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian ny 5 may 2022 niaraka tamin’ireo mpikambana sasantsasany ao anatin’ny governamanta izay...

FIFANDRAISANA ARA-PANATANJAHANTENA SINO-MALAGASY

FIFANDRAISANA ARA-PANATANJAHANTENA SINO-MALAGASY

Ho tohin'ny fihaonana nisy teo amin'ny Minisitry Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ny Masoivohon'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina, Ramatoa GUO Xiaomei izay tena nahafa-po dia nisy ny fihaonana tamin'ireo teknisianina eo anivon'ny Ministera...

FIHAONANA TEO AMIN’NY ITF

FIHAONANA TEO AMIN’NY ITF

Ny faha 21 Aprily 2022, dia nisy ny fihaonana tamin'ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ny fikambanana mikirakira ny Taekwondo ITF, izay nisedra olana hatramin'izay eo amin'ny lafiny fitantanana. Nahita marimaritra iraisana ireo...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY SECOURISME

FIOFANANA MAHAKASIKA NY SECOURISME

Mpiasa 150 eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no nisitraka fiofanana mahakasika ny "Secourisme", izay atao etsy amin'ny Academie Nationale des Sports Ampefiloha (ANS). Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny 20 Aprily, Andriamatoa...