MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

FANKALAZANA NY ANDRON’NY 8 MARTSA

FANKALAZANA NY ANDRON’NY 8 MARTSA

Tonga teny Mahamasina nanome voninahitra ny lanonana fankalazana ny 8 martsa izay niarahana tamin’ny Federasiona Malagasy ny taranja Basketball, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Nambarany nandritra ny lahateny nataony fa...

FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2022

FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2022

Tsy nataon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ambanin-javatra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy na ny 8 Mars, izay andro fankalazana izany. Ao amin'ny renivohitrin'ny Faritra Vakinakaratra no ankalazana izany amin'ity taona ity....

ANTSIRABE: FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2022.

ANTSIRABE: FANKALAZANA NY 8 MARTSA 2022.

Amin'izao ankatoky ny fankalazana ny andron'ny vehivavy 08 Martsa 2022 izao, dia nisy ny "match de GALA" izay notanterahina ny 6 Martsa 2022, izay natao teto amin'ny kianjan' ACMIL Antsirabe izay nifanaovan'ny FIVAPOVA( Fikambanan'ny Vadin'ny Polisy Vakinakaratra) sy...

FEDERASIONA MALAGASY KICK BOXING: FIFIDIANANA FILOHA

FEDERASIONA MALAGASY KICK BOXING: FIFIDIANANA FILOHA

Tanteraka ny faha 6 Martsa 2022, tao amin’ny Akademia Nasionalin’ny Fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Kick Boxing. Voafidy hitantana izany, Atoa LYLISON René de Roland, raha nazaho vato 5 avy amin'ireo...

FANDALOVAN’NY MINISITRA TAO SAKARAHA

FANDALOVAN’NY MINISITRA TAO SAKARAHA

Tao aorian'Ankazoabo, dia nandalo Sakaraha sy ny Kaominina Bezaha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI sy ny ekipany. Tao Sakaraha, nijery ny fandrosoan'ny fanamboarana Gymnase, nijery ny Kianja Foot sy ny Basket ary nanolotra Jeu de maillots...

FIDINANA IFOTONY TAO AMIN’NY FARITRA IHOROMBE

FIDINANA IFOTONY TAO AMIN’NY FARITRA IHOROMBE

Nandalo tao @ faritra Ihorombe ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI. Isaorana ireo tompon'andraikitra maro samihafa teo an-toerana tamin'ny fandraisana. Nijery ireo fotodrafitrasa izy ary nanamafy ny tokony ahavitana ireo stade sy gymnase...

AKON’NY DIAN’NY MINISITRA TAO FIANARANTSOA

AKON’NY DIAN’NY MINISITRA TAO FIANARANTSOA

Mitohy ny fidinana ifotony. Mandalo ao Fianarantsoa indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD’ALI sy ny ekipany. Tao anatin'izany dia nihaino ny hetahetan'ny mpiara-miasa, nijery ireo fotodrafitrasa mila fanamboarana. Noho izany, dia nanolotra...