MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

FANDALOVAN’NY MINISITRA TAO MANAKARA SY VOHIPENO

FANDALOVAN’NY MINISITRA TAO MANAKARA SY VOHIPENO

Tao Manakara sy Vohipeno no namaranan'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI ny diany tamin'ny Faritra VATOVAVY sy FITOVINANY. Nijery ireo mpiara-miasa traboina, ireo fotodrafitrasa simba ary nihaona tamin'ireo Tanora ny tenany. Ho hafainganina...

FITSIDIHAN’NY MINISITRA TAO MANANJARY

FITSIDIHAN’NY MINISITRA TAO MANANJARY

Nandalo tao Mananjary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI sy ny ekipany. Niara-nivory avy hatrany tamin'ireo tompon'andraikitra teo an-toerana : ny Solombavambahoaka, ny préfet, ny governora sy ireo solontenam-panjakana hafa. Nijery ireo...

FANARENANA NY TAKAITRA NAVELAN’NY RIVO-DOZA BATSIRAI

FANARENANA NY TAKAITRA NAVELAN’NY RIVO-DOZA BATSIRAI

Araka ny toromarika avy amin'ny Filoham-pirenena, Atoa Andry RAJOELINA, mahakasika ny fijerena isam-paritra ireo voina naterakin'ny rivo-doza BATSIRAI, dia nidina avy hatrany aty Morondava, renivohim-paritra Menabe, ny Minisitrin'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Atoa...

JEUX OLYMPIQUES D’HIVER, PEKIN 2022

JEUX OLYMPIQUES D’HIVER, PEKIN 2022

Misolo tena antsika Malagasy any amin'ny Jeux Olympiques d'hiver izay atao any Pékin, i Mialitiana Clerc sy Mathieu Neumuller. Taranja Ski Alpin no handraisan'izy mianadahy anjara mandritra ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Mankahery azy ireo ary manohana...

FANOHANANA IREO TRA-BOINA NOHON’NY ANDRO RATSY

FANOHANANA IREO TRA-BOINA NOHON’NY ANDRO RATSY

Notolorana ny Vatsy tsinjo ireo fianakaviana tra-boina tao Toamasina noho ny voina nahazo azy ireo taorian'ny fandalovan'ny andro ratsy "ANA". Ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiavian'ny rivo-doza "Batsirai" izay manambana ny faritra maro eto amin’ny nosy, dia tonga...

ASIEF: FIFIDIANANA FILOHA

ASIEF: FIFIDIANANA FILOHA

Tontosa ny faha-28 janoary, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny fifidianana izay filoha hitantana ny ASIEF. Lany hitantana izany indray ny filoha teo aloha, Atoa ANDRIANARISON Jean Aimé, fantatrin'ny rehetra amin'ny anarana hoe John Love. Mpifidy 89 tamin’ireo 122...