MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL U18: FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY LAHY SY VAVY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 24 Aogositra 2022 ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny Afrobasket U18 zazalahy sy zazavavy.

Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Basket ball U18 zazalahy no niatrika lalao famaranana ny Afrobasket ary sambany ihany koa ny hiatrika ny fifaninanana ny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 izay hatao any Hongrie amin’ny taona 2023.

Tafiakatra teo amin’ny toerana faha-4 kosa ny ekipam-pirenena zazavavy.

Tonga nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany fotoana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, izay niarahaba manokana ireo mpilalao tamin’ny vokatra azo ary nankasitraka ihany koa ny ezaka lehibe vitan’ny Federasiona sy ny Komity mpikarakara na COCAN izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fikarakarana sy fampiantranona izany lalao izany. Nahazoan’i Madagasikara amboara volamena ny teo amin’ny lafiny izay.

Nitondra ny teny fisaorana sy Fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny solotenan’ny Federasiona.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....