MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO: FIFAMPIDINIHANA AN-DATABATRA BORIBORY

Notanterahina ny alakamisy faha 26 Aogositra 2022 tetsy amin’ny « Le Carat » Ambatofotsy, ny laha-dinika an-databatra boribory eo amin’ny fanamafisana ny haitaky eo anivon’ny Andrim-panjakana sy ny Minisitera, hahafahana mampitombo ny fandraisan’anjaran’ireto farany amin’ny fandrindrana marolafy nasionaly manoloana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Anisan’ny laharam-pahamehana eto amintsika ny « Fiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ». Niompana tamin’izany indrindra ny fifampidinihana an-databatra boribory izay nokarakarain’ny ONN na ny Office National de Nutrition, izay niarahana tamin’ireo Sekretera Jeneralin’ny Antenimieran-doholona, Antenimieram-pirenena, ny Primatiora ary ny Ministera isan-tsokajiny.

Tonga nisolotena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena nandritra izany, Andriamatoa JOSSO TIANA Angelos, Tale misahana ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fiarovana ny Tanora, izay niresaka ny programa Fanoitra hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....