MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FAMPANANANA ASA SY FAMORONANA ASA HO AN’NY TANORA

Taorian’ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny asa sy ny fampiroboroboana ny tanora ny faha-05 sy faha-06 May 2022 lasa teo, izay nitondra lohahevitra hoe « Tanora iray asa mendrika iray » dia nanatanteraka fihaonana tamin’ireo tanora ny Observatoire de la Jeunesse niarahana tamin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, ny 29 Aogositra 2022.

« Ny toe-java-misy taorian’ny fanambarana nataon’ny tanora mahakasika ny asa sy ny fandraharahana » no lohahevitra novoizina nandritra ity fihaonana ity. Marihana fa mbola ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora (JIJ) izany. JIJ2022.

Nifantoka tamin’ny fanaraha-maso akaiky ny paikady momba ny fampananana asa ireo Tanora Malagasy ny lahadinika nandritra izany.

Raha ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena manokana dia mamaly izany ny tetikasa FANOITRA. Tetikasa efa nampiharina tany Betroka, distrika filamatra ary natomboka tamin’ny fomba ofisialy tany Mahajanga tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora (JIJ) ny faha-12 Aogositra 2022 lasa teo.

Hisitraka izany tetik’asa izany avokoa ny Distrika rehetra manerana an’i Madagasikara ka tao Betroka no nampiharana izany voalohany.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....