MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ANTSIRABE: FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN’NY TANORA

Tanterahina ny faha- 30 Aogositra ka hatramin’ny faha-04 Septambra 2022 ao Antsirabe ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ) andiany faha-10.

Tonga misolotena ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, mandritra izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY sy ny Tale misahana ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fiarovana ny Tanora, Andriamatoa JOSSO TIANA Angelos, izay nandroso ny tetikasa FANOITRA amin’ireo tanora tonga amin’ity JMJ ity. Nanao fanentanana sy fampahafantarana fohifohy tamin’ireo tanora izy ireo tamin’izany.

Efa nisy nialoha izao fotoana izao ny fampiofanana Lifeskills Fanoitra izay niarahana tamin’ny tanora avy ao Vakinakaratra ka namafisina tao anatin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny Tanora izao. Nanatrika izany ihany koa ny distrika samihafa. Nentanina mahakasika ny fananganana ny vondron’ny tanora ifotony na ny VTI, izay ahafahan’ny tanora mifandray sy mifampizara traikefa ka hahatonga azy ho lasa mpitarika ho an’ny fampandrosoana eo anivon’ny fiaraha monina izany

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....