MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NATAON’NY BUREAU MONDIAL DU SCOUTISME (BMS)

Ny 02 Septambra 2022 dia noraisin-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, tao amin’ny toeram-piasany tao Ambohijatovo ireo delegasiona avy amin’ny Birao maneran-tany ny Fikambanana Skoto na « Bureau Mondial du Scoutisme » (BMS), izay mamita iraka eto Madagasikara ny faha-31 Aogositra ka hatramin’ny faha-05 Septambra 2022 izao.

Noresahina nandritra izany ny Tetikasa FANOITRA izay natao ho an’ny Tanora Malagasy rehetra, anisan’izany ny Skoto. Nanamafy ny fiaraha miasa misy eo amin’ny roa tonta izy ireo, nitondra tatitra ary nankasitraka ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin’ny fanohanana ny firaisan’ny Skoto eto Madagasikara ka nahafahantsika nandray sy mikarakara ny «10è Forum des Jeunes Scouts Africains » sy ny hetsika «19è Conférence Africaine du Scoutisme » izay ho tanterahina ny taona 2025 eto Antananarivo.

Marihina fa ny fitsidihana izay notanterahan’izy ireo dia arahana tetikasa nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Messager de la Paix » ka fantatra fa hihaona amin’ireo mpiara miombon’antoka sy mpiara miasa amin’ny fikambanana skoto izy ireo. Hifandinika ihany koa amin’ny Firaisan’ny Skotisma Malagasy ahitàna ny tily sy mpanazava eto Madagasikara ny kiadin’i Madagasikara sy ny antily ary ny fanilon’i Madagasikara mahakasika ireo hetsika hotanterahina. Malagasy roa (2) no voafidy ao anatin’ny birao maharitra eto anivon’ny skoto Afrikanina.

Ny Minisiteran’ny ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia Minisitera mpiahy ny skotisma eto Madagasikara ary manohana ny Tanora Malagasy hatrany. « Ny Skotisma dia ho fitaovana mahomby hanabeazana ny zaza sy tanora Malagasy manerana ny Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana, ankoatra ny fanabeazana omen’ny Sekoly sy ny Ray aman-dReny azy ireo », hoy i Franck RAMANANARIVO Jr, mpikambana eo anivon’ny « Africa Scout Committee ».

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....