MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA ATLETISMA : CATO CLUB BEZAHA

Tonga nijery ireo atleta 6 mianadahy avy ao amin’ny CATO CLUB Bezaha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto ny 8 septambra 2022 ary avy hatrany dia nandray ny andraikitra mahakasika ny fodian’ireto atleta izay tokony hamonjy ny toeram-podiana raha avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara teto Antananarivo.

Nandray an-tanana ny fakana ireo atleta ireo ny Minisitera nanomboka omaly hariva, ka nafindra toerana tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha izy ireo ary alefa hody any Bezaha anio tolakandro.

Nambarany fa mampalahelo ny zavatra toy izao, ary tsy tsara ny hiverim-berenany.

« Ray aho hoy Andriamatoa Minisitra ka tsy izaho mihintsy no tsy hijery azy ireo »

Nifantoka tamin’ny fanazavana ny rafitra misy sy ny andraikitrin’ny Minisitera sy ny Federasiona manoloana izao toe-javatra izao no valan-dresaka izay niarahana tamin’ny mpanao gazety.

Nandritra izany no nanazavan’ Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto fa manana rafitra mahaleo tena ny Federasiona, ny Ligy, ny Section ary ny Klioba. Ny fanaovana « CHAMPIONNAT NATIONAL » dia ny Federasiona tanteraka no miandraikitra izany ary tsy mitsabaka amin’ny fikarakarana ny Minisitera.

Misy ny fandaminana napetraka ary handraisana fepetra mba tsy hiverenan’ny toe-javatra toy izao intsony.

Nilaza ny Filohan’ny Federasiona fa ny klioba no tompon’andraikitra amin’ny saran-dalana mandroso sy miverina ary sakafo rehetra fa ny Federasiona kosa no miandraikitra ny rehetra momba ny Fifaninanana.

Manomboka izao dia misy ny fanaovana taratasy fifanarahana eo anivon’ny DRJS sy ireo klioba izay handray anjara amin’ny fifaninanana rehetra, izay fandaminana hapetraka hiarahan’ny Minisitera sy ny Federasiona mba hialana amin’izao toe-javatra toy izao.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....