Tanterahina ny faha 15 hatramin’ny 16 septambra 2022 ao amin’ny « Mining Business Center » Ivato ny fifanankalozan-kevitra « D-CLIC PRO » izay mitondra ny lohahevitra « Fahafahana mampiofana sy fampananan’asa ho an’ny tanora ary fahaiza-manao ara-nomerika ho fampandrosoana ny orinasa” eto Madagasikara, izay nokarakarain’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) sy ny SAYNA, izay eo ambany fiahian’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian.
Nasaina tamin’izany ireo mpianatra manana diplaoma sy ireo tanora mpandraharaha ao anatin’ny tontolon’ny nomerika izay mitady fiofanana eo anivon’izany sehatra izany.
Hampifandray ireo tanora manana fahaiza-manao ara-nomerika amin’ny ireo orinasa, ivon-toeram-piofanana, mpisehatra amin’ny tontolon’ny nomerika, ary ny rafitra « incubation », mba hanamora ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny tontolon’ny matihanina no tanjona amin’izany.
Tonga namaly ny fanasana ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera.