MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIOFANANA MAHAKASIKA NY ALAVOLY SY NY FIALAMBOLY.

Notanterahina ny 16 septambra 2022 tetsy Ankorondrano ny fampiofanana izay natokana ho an’ireo Tanora avy ao amin’ny FIMPITENOTA, Fikambanan’ny Mpianatra Terak’i Nosy Be eto Antananarivo. Nahitana mpikambana lahy sy vavy miisa 22, izay mpianatra eny Ankatso, CNTEMAD, UCM, IMT, sy foibe maro samihafa.

Ny tanjon’ny fampiofanana dia ny fampahafantarana ny atao hoe alavoly enti-manabe sy ny fialamboly amin’ireto tanora mpiofana ireto, ny fampafantarana ny andraikitra sy ny fahaiza-manao ary ny toetran’ny mpanentana hetsika sy fialamboly ary ny fahaizana mandrafitra drafitr’asa ho an’izany.

Nitarika izany ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Alavoly, Ramatoa Tantely Hasina RABETRENA, sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tamin’ny fandraisam-pitenenany no nisaorany an’ireto tanora ary nanamafisany ny maha-zava-dehibe ny fanofanana toy izao mba ho fampiroboroboana ny sehetra misy azy ireo.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mampahery sy manosika ny tanora rehetra mba ahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny eo amin’ny sehatra sahaniny.

Izao fampiofanana izao no tanteraka nohon’ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Fitaleovan’ny Fampiroboroboana ny Alavoly (DPL) sy ny Fitaleovan’ny Fampananan’asa ho an’ny Tanora (DEEJ) ary ny Fitaleovana misahana ny Fahasalamana ara-pananahana sy Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) eto anivon’ny Minisitera.

Autre Articles

TARANJA HANDBALL : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA HANDBALL : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga niarahaba sy nirary soa an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, amin'izao nanendrena azy hitantana ny Minisitera izao ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Handball, Ramatoa RAHERIARIJAONA Regina Clarisse, ny 17 aprily 2023.   Noresahana...

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahina nandritra ny telo andro nanomboka ny 14 aprily tao am kianja mitafo Ankorondrano ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja Judo. Ny sokajin-taona cadets sy junior lahy sy vavy no nanokatra ny fifaninanana . Ny sabotsy 15 aprily dia ny...

TARANJA AVIRON: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA AVIRON: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Aviron na ny mpivehy laka miamboho, Andriamatoa MOUHIDINE Mohamad, ny 13 aprily 2023....

BASKETBALL: VALANDRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

BASKETBALL: VALANDRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY.

Nampahafantarina ny 7 aprily 2023, nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety ny mombamomban'ny fanomanana ny "FIBA WORLD CUP U19 2023 sy ny fanomanantenan'ny ANKOAY U19 izay hatao any La Frantsa ny 10 ka hatramin'ny 29 aprily 2023 ho avy izao. Ny...

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY PNUD

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY PNUD

Tonga nitsidika am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, androany 6 aprily 2023 teto amin'ny biraony Ambohijatovo ny solotenan'ny PNUD monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa NATASHA Van Rijn. Naneho ny fahavononana...