Ny 21 septambra lasa teo no natokan’ny firenenana mikambana ho fankalazana ny andro iraisam-pirenenana ho an’ny fandriampahalemana. « FAMPITSAHARANA NY FANAVAKAVAHAM-BOLON-KODITRA, FANORENANA FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA » no lohahevitra amin’ity taona 2022 ity.
Nanamarika izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena,tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny fahaiza-miaina sy fandriampahalemana ary ny fampandrosoana maharitra(Direction du Civisme,de la Paix et du Developpement Durable).
Tao Betroka no nanatanterahana izany ny faha 19-20-21 septambra 2022 lasa teo izay fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa OBS MADA.
Hetsika maro no nanamarihana izany, toy ny fifanakalozana narahana adi-hevitra mahakasika ny fahaiza-miaina sy ny olom-pirenena, fampiofanana ny LIFESKILLS FANOITRA ary nofaranana tamin’ny hetsika ara-koltoraly sy ara-panatanjahantena.