Notanterahina ny 30 septambra 2022 tao amin’ny Academie Nationale des Sports Ampefiloha ny famoahana ara-pomba ofisialy ireo mpanabe ara-panatanjahantena teo anivon’ny « Gendarmerie » izay miisa fito ambin-roa polo (27).
Notolorana ny « Certificat de spécialité CS1-CS2 sport » izy ireo rehefa avy nanaraka fiofanana nandritra ny efa-bolana (4). Nanomboka ny 16 May ka hatramin’ny 12 Septambra 2022 lasa teo no nanatanterahana izany.
Ny tanjon’ny fiofanana dia ny ahafahan’izy ireo hitarika « activité physique, éducation physique et sportive » ary hampiroborobo ny fampiarana fanatanjahantena eny anivon’ny « Unité d’affectation ».
Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany, nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisitera, Andriamatoa RALAIVAO Lovatiako.