Nosokafana ny 07 Oktobra 2022 tetsy amin’ny boulodrome Ampitatafika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja tsipy kanetibe.
Naharitra telo andro ny fifaninanana. Ny faha 08 sy 09 oktobra 2022 no nanatanterahana ny sokajy Junior, Sénior lahy sy vavy ary Vétéran.
Tonga nanome voninahitra ary nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto nandritra izany ny Tale misahana ny Fanomanana ny taniketsan’ny Fanatanjahantena eto anivon’ny Minisitera, Andriamatoa Arnaud ANDRIANIAINA.