Nanomboka ny 10 oktobra 2022 tao amin’ny Académie Nationale des Sports (ANS) Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana izay nokarakarain’ny Fitaleovana misahana ny maha-olona (Direction des Ressources Humaines) sy ny Institut National de la Jeunesse (INJ).
Fampandrosoana ny lafiny arakasa no tanjona amin’ity fiofanana ity. Solontena avy amin’ny fitaleovana samihafa eto anivon’ny Ministera no misitraka izany izay mitsinjara andiany roa.
Tafiditra indrindra amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao hanan’ireo mpiasa izany ary ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa atolotra aorian’ity fiofanana ity .