Notontosaina ny 13 oktobra 2022 ao Kigali renivohitr’i Rwanda ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriam-be andiany faha-5 iraisan’ireo Minisitera misahana ny Tanora mikambana ao anatin’ny YouthConnekt Afrika Summit.
Ny YouthConnekt Africa Summit, dia fihaonam-be isan-taona izay hoentina mampifandray ny tanora afrikanina mpitarika manerana ny kaontinanta ivondronan’ny firenena afrikanina.
« Resilient Youth, Resilient Africa » no lohahevitra tamin’ity taona ity.
Anisany noresahana mandritra ity fihaonambe ity ny maha zava-dehibe ny fandraisan’ireo tanora anjara amin’ny hetsika maharitra momba ny toetrandro, fandriampahalemana sy filaminana, ny toekaren’ny kolontsaina, ny indostrian’ny famoronana sy ny fanatanjahantena, fahaiza-manao sy fiofanana mifandraika amin’ny toekarena nomerika, fambolena sy rafitra ara-tsakafo, varotra sy fahasalaman’ny Tanora.
Tanora Afrikanina miroborobo sy mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena no tanjona amin’izany.
Ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, no nitarika ireo delegasiona Malagasy mandritra ity YouthConnekt Afrika Summit 2022 ity.