Tamin’ity taona 2022 ity, ny YouthConnekt Afrika dia mandray ny fivoriana fahafito niarahan’ireo komity mpitantana avy amin’ny Minisitera misahana ny Tanora mikambana ao anatin’ny YouthConnekt izay tarihan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Kolontsaina Rwanda, Ramatoa Rosemary Mbabazi, sy ny filoha faharoa mpitantana, Ramatoa Ahunna Asiakonwa.
Ny tanjona dia ny hamolavola ny « manifesto » ho an’ny tanora Afrikanina ho feon’ny tanora Afrikanina ho an’ny COP27, izay hatolotra any Ejipta izay mizara hevitra vaovao momba ny tontolon’ny tanora aty Afrika avy amin’ireo manampahaizana ary ny fanomezana sy fanavaozana momba ny ezaka mitohy ataon’ny YouthConnekt Africa Hub izay mankatoa ny tanjona stratejika amin’ny taona 2023-2028.
Mandritra ity fivoriana izay niarahan’ireo Minisitera misahana ny Tanora mikambana ao anatin’ny YouthConnekt ity dia ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, no nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary Andriamatoa René Diouf, solontena maharitra lefitra ao amin’ny PNUD Madagasikara no avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.