MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

YOUTHCONNEKT AFRICA SUMMIT 2022

Tamin’ity taona 2022 ity, ny YouthConnekt Afrika dia mandray ny fivoriana fahafito niarahan’ireo komity mpitantana avy amin’ny Minisitera misahana ny Tanora mikambana ao anatin’ny YouthConnekt izay tarihan’ny Minisitry ny Tanora sy ny Kolontsaina Rwanda, Ramatoa Rosemary Mbabazi, sy ny filoha faharoa mpitantana, Ramatoa Ahunna Asiakonwa.

Ny tanjona dia ny hamolavola ny « manifesto » ho an’ny tanora Afrikanina ho feon’ny tanora Afrikanina ho an’ny COP27, izay hatolotra any Ejipta izay mizara hevitra vaovao momba ny tontolon’ny tanora aty Afrika avy amin’ireo manampahaizana ary ny fanomezana sy fanavaozana momba ny ezaka mitohy ataon’ny YouthConnekt Africa Hub izay mankatoa ny tanjona stratejika amin’ny taona 2023-2028.

Mandritra ity fivoriana izay niarahan’ireo Minisitera misahana ny Tanora mikambana ao anatin’ny YouthConnekt ity dia ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, no nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ary Andriamatoa René Diouf, solontena maharitra lefitra ao amin’ny PNUD Madagasikara no avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....