MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA NATAON’IREO DELEGASIONA AVY AO AMIN’NY NOSY LA RÉUNION.

Tonga nitsidika ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena ny tompon’andraikitra vitsivitsy avy ao amin’ny Nosy La Réunion izay nisy an’i Ramatoa Patricia Profil izay mpanolotsainam-paritra momba ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina, Andriamatoa Stéphane Singa, Tompon’andraikitra amin’ny lafiny Fanatanjahantena, ary Andriamatoa Michel Galindo, lehiben’ny biraon’i La Réunion eto Madagasikara.

Mahakasika ny fifanampiana eo amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy no anisan’ny votoatin’ny fihaonana izay hanomezan’izy ireo tolotanana eo amin’ny lafiny fampiofanana ny mpitsara, ny mpanazatra ary fifanankalozana traikefa.

Noresahina ihany koa ny mahakasika ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny Tanora sy Fanatanjahantena izay hatao amin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia mba hahamaritoerana izay fandaharam-potoana rehetra hapetraka.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....