Nisy ny fihaonana teo amin-dRamatoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena sady Filoha Lefitry ny CIGEPS miandraikitra ny Zone Afrika eo anivon’ny UNESCO izay nentiny nampahafantarana ny » En forme pour la Vie » na » Fit for Life » izay fandaharan’asan’ny UNESCO.
Hetsika manerantany entina hampiroboroboana ny fampiasam-bola amin’ny fanatanjahantena ho an’ny tombontsoa ara-tsosialy sy fampandrosoana isan-karazany anisan’izany ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fitoviana. Ny sehatra ifantohan’ny hetsika « Fit for Life » dia mihodina amin’ny lohahevitra 2: Ny olona sy ny fiaraha-monina.
Ny tanjona dia ny fampiasana ny fanatanjahan-tena hanana olom-pirenena salama.
Anisan’ny votoatin-dresaka lehibe koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny hetsika iraisana amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay efa natomboka tamin’ny taranja Basikety nandritra ny Afrobasket U18 zazavavy sy zazalahy farany teo.
Vonona hametraka sy hanamafy ny fifandraisana amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny OMS Madagasikara izay hotanterahina amin’ny alalan’ny fihaonana miaraka amin’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto afaka fotoana fohy, ka hanatanterahana fandaharanasa iombonana.
Ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, Dr Laurent Musango sy ny mpiara-miasa aminy dia vonona ny hiditra tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny fandaharan’asa « Fit for life » eto Madagasikara miaraka amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena, ny UNESCO, ny CIGEPS ary ireo sehatra rehetra mety ho voakasik’izany.