MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIHAONANA TAMIN’NY SOLONTENAN’NY OMS ETO MADAGASIKARA, Dr LAURENT MUSANGO

Nisy ny fihaonana teo amin-dRamatoa RAKOTOZAFY Rosa, Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena sady Filoha Lefitry ny CIGEPS miandraikitra ny Zone Afrika eo anivon’ny UNESCO izay nentiny nampahafantarana ny   » En forme pour la Vie  » na  » Fit for Life » izay fandaharan’asan’ny UNESCO.

Hetsika manerantany entina hampiroboroboana ny fampiasam-bola amin’ny fanatanjahantena ho an’ny tombontsoa ara-tsosialy sy fampandrosoana isan-karazany anisan’izany ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fitoviana. Ny sehatra ifantohan’ny hetsika « Fit for Life » dia mihodina amin’ny lohahevitra 2: Ny olona sy ny fiaraha-monina.

Ny tanjona dia ny fampiasana ny fanatanjahan-tena hanana olom-pirenena salama.

Anisan’ny votoatin-dresaka lehibe koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny hetsika iraisana amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay efa natomboka tamin’ny taranja Basikety nandritra ny Afrobasket U18 zazavavy sy zazalahy farany teo.

Vonona hametraka sy hanamafy ny fifandraisana amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny OMS Madagasikara izay hotanterahina amin’ny alalan’ny fihaonana miaraka amin’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto afaka fotoana fohy, ka hanatanterahana fandaharanasa iombonana.

Ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, Dr Laurent Musango sy ny mpiara-miasa aminy dia vonona ny hiditra tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny fandaharan’asa « Fit for life » eto Madagasikara miaraka amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena, ny UNESCO, ny CIGEPS ary ireo sehatra rehetra mety ho voakasik’izany.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....