MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TETIKASA OBS MADA.

Notanterahana ny 27 oktobra 2022 teny amin’ny Ibis akorondrano ny atrikasa narahana ady hevitra nanaovana ny tomban’ezaka ary ny drafitr’asa manaraka mahakasika ny tetikasa OBS Mada.

Ny tanjona amin’izany dia ny hahafan’ireo tanora manodidina ny 7 000 isa manerana ny Nosy hisitraka fiofanana momba ny fahaizana mandresy lahatra na ny antsoina hoe haitaky mba ho sahy hitondra soso-kevitra sy hetaheta eny anivon’ireo manam-pahefana isan’ambaratongany manerana ny nosy ka hahafahan’ireto farany mandray andraikitra mifanaraka amin’izany.

Maro ny lohahevitra ho voizin’ ireo tanora toy ny tsy fandriam-pahalemana, ny fampananan’asa ireo tanora na koa ny ady tany sy ny maro samihafa, noresahina nandritra ity atrikasa ity.

Nahitana vokatra tsara hatrany amin’ny 27% ny haitaky nataon’ireo tanora teny anivon’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana.

Ny OBS Mada dia tetikasa iray hampivondronana ireo tanora Malagasy mba hiara-hientana hampiroborobo ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana maharitra eto Madagasikara.

Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka maro toy ny firenena mikambana sy ireo fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny OBS Mada ho fanatanterahana izany tetikasa izany.

Manana anjara andraikitra lehibe amin’izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ka tonga nanome voninahitra izany ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....