Tontosa ny faha 28 hatramin’ny 29 oktobra 2022 teny amin’ny Centre de conférences internationales (CCI) Ivato ny « Forum national des investissements pour l’émergence de Madagascar ». Fihaonana hampivondronana ireo mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpandraharaha isan-karazany, hahafahana mijery miaraka ireo lalam-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Nandritra izany no nanaovan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny jery todika ireo asa vita sy an-dalam-panatanterahana ary ny dingana manaraka hotanterahina ao anatin’ny « Plan Emergence de Madagascar » (PEM).
Nisy ihany koa ireo atrikasa samihafa notanterahana nandritra izany, izay niresahana ireo sehatra stratejika mety hampiasam-bola eto Madagasikara toy ny amin’ny lafiny fizahantany sy fitaterana, ny fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ireo fotodrafitrasam-pifandraisana, ny fambolena sy ny fampiofanana araka asa.
Tonga nanome voninahitra izany ireo Tale Jeneraly sy ireo Tale isan-tsokajiny eto amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.