MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FORUM NATIONAL DES INVESTISSEMENTS POUR L’EMERGENCE DE MADAGASCAR

Tontosa ny faha 28 hatramin’ny 29 oktobra 2022 teny amin’ny Centre de conférences internationales (CCI) Ivato ny « Forum national des investissements pour l’émergence de Madagascar ». Fihaonana hampivondronana ireo mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpandraharaha isan-karazany, hahafahana mijery miaraka ireo lalam-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Nandritra izany no nanaovan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny jery todika ireo asa vita sy an-dalam-panatanterahana ary ny dingana manaraka hotanterahina ao anatin’ny « Plan Emergence de Madagascar » (PEM).

Nisy ihany koa ireo atrikasa samihafa notanterahana nandritra izany, izay niresahana ireo sehatra stratejika mety hampiasam-bola eto Madagasikara toy ny amin’ny lafiny fizahantany sy fitaterana, ny fampiroboroboana ny indostria, ny angovo, ireo fotodrafitrasam-pifandraisana, ny fambolena sy ny fampiofanana araka asa.

Tonga nanome voninahitra izany ireo Tale Jeneraly sy ireo Tale isan-tsokajiny eto amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....