Notanterahina ny faha-05 sy faha-06 novambra 2022 tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Basketball.
Ny MB2ALL avy eto Analamanga no nibata ny amboara nanoloana ny ekipan’ny ANKARATRA teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny COSPN Analamanga teo amin’ny sokajy lehilahy no nandrombaka ny amboara nanoloana ny ekipan’ny ASCUT nandritra ny « Game 3 » ary voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taona 2022.
Sokajy Vehivavy:
MB2ALL 80 Vs 56 ANKARATRA
Sokajy Lehilahy:
COSPN 78 Vs 61 ASCUT
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.