MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA BASKETBALL: FIADIANA NY HO TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahina ny faha-05 sy faha-06 novambra 2022 tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Basketball.

Ny MB2ALL avy eto Analamanga no nibata ny amboara nanoloana ny ekipan’ny ANKARATRA teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny COSPN Analamanga teo amin’ny sokajy lehilahy no nandrombaka ny amboara nanoloana ny ekipan’ny ASCUT nandritra ny « Game 3 » ary voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taona 2022.

Sokajy Vehivavy:

MB2ALL 80 Vs 56 ANKARATRA

Sokajy Lehilahy:

COSPN 78 Vs 61 ASCUT

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Autre Articles

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

Nihaona tamin'ny masoivohon'i Korea monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa SON Yongho, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny faha 12 may 2023 lasa teo. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta eo...

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

Notanterahana ny 12 may 2023, tao  amin'ny HABAKA Tsimbazaza ny fanokafana ny fiofanana momba ny fahaizana nomerika niarahana tamin'ireo iraky ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora, izay notarihan-dRamatoa Chido Mpemba. Nisolotena an'Andriamatoa André Haja...

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy ny taranja tennis, izay tarihan'ny Filohany,  Andriamatoa Soloniaina RAKOTOMANIRAKA, ny 11 may 2023. Voaresaka nandritra...

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny " Journée des médaillés" tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin'ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena...

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga dia anjaran'ny tanora tao Toamasina, Faritra Antsinanana indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA. Tanora...

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

Tontosa ny Talata 2 may 2023 tao amin'ny Palais des Sports Mahamasina ny fiofanana Lifeskills Fanoitra module 2 sy module 3 mahakasika ny lohahevitra "Fanabeazana maha-olom-pirenena vanona, fandriampahalemana, ady amin'ny kolikoly, fiarovana ny tontolo iainana" sy ny...