Notanterahana ny 11 novambra 2022 tao amin’ny domaine Ilo Andakana, Ambohidratrimo ny atrikasa izay nokarakarain’ny tetikasa MIONJO.
Manana anjara toerana lehibe ny sehatry ny tanora eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nandritra izany no nitondran-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora ny tetikasan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ho an’ny tanora any amin’ny Faritra Atsimo, izay toerana hiantsorohan’ny tetikasa Mionjo.
Nandritra ity atrikasa ity dia ny tetikasa FANOITRA no nozaraina tamin’ireo mpiara miombon’antoka » Partenaires Relais » izay miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Mionjo any amin’ny faritra Atsimo.