Tontosa ny 12 novambra 2022 tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Concours scolaire U15 CAF- Football féminine », ho an’ny taranja baolina kitra sokajy vehivavy, latsaka ny 15 taona izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Kaofederasionina Afrikanina ho an’ny taranja baolina kitra.
Sekoly ambaratonga faharoa valo (08) avy eto amin’ny Faritra Analamanga no nosafidian’ny Federasionina Malagasy ny Taranja Baolina Kitra ho « sekoly filamatra » sy ho fanombohana amin’ity tetikasa ity, dia ny CEG 67 ha, CEG Antanimbarinandriana, ny CEG Nanisana, CEG Analamahitsy, ny Kolejy Rasalama, Ny Kolejy Saint Michel, ny Kolejy Frantsay, ary ny Kolejy Esca.
Notolorana taratasimbola 1000 dolara avy, miampy fitaovana sy fanamiana ihany koa ireo sekoly valo mpandray anjara, ho fanohanana amin’ny fiatrehana izany. Ankoatra izany dia mbola hisitraka fiofanana mitovy sanda amin’ny marimpahaizana « Licence D CAF » ihany koa ireo mpanabe sy mpitantana teknika roa isaky ny sekoly voasafidy, mialoha ny hidirana amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena izay nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany.