Tontosa ny 14 novambra 2022 tetsy amin’ny « Chambre de Commerce et Industrie » Antaninarenina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny herinandron’ny fandraharahana na ny Global Entrepreneurship Week(GEW), izay hankalazaina isan-taona mandritra ny herinandro fahatelon’ny volana novambra.
Mandritra ny fankalazana no nifarimbonan’ireo mpiara- miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny asa sy fampananan’asa ny tanora amin’ny alalan’ny atrikasa, fampiofanana, kaoferansa, asa famokarana sy fifaninanana maro samihafa ahafahana mampandroso ny volavolan’asan’izy ireo.
Tanora sahy hirotsaka an-tsehatra sy mahavita mandraharaha, mahalala ny tolotra sy tinady ary ny rafitra misy eo amin’ny sehatra izay sahanin’izy ireo no tanjona amin’izany.
Tonga nanome voninahitra sy nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany ny Tale misahana ny Fandraharahana sy ny Asa ho an’ny Tanora (DEEJ) eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Arlette RAHARIJAONA.