MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK

Tontosa ny 14 novambra 2022 tetsy amin’ny « Chambre de Commerce et Industrie » Antaninarenina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny herinandron’ny fandraharahana na ny Global Entrepreneurship Week(GEW), izay hankalazaina isan-taona mandritra ny herinandro fahatelon’ny volana novambra.

Mandritra ny fankalazana no nifarimbonan’ireo mpiara- miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny asa sy fampananan’asa ny tanora amin’ny alalan’ny atrikasa, fampiofanana, kaoferansa, asa famokarana sy fifaninanana maro samihafa ahafahana mampandroso ny volavolan’asan’izy ireo.

Tanora sahy hirotsaka an-tsehatra sy mahavita mandraharaha, mahalala ny tolotra sy tinady ary ny rafitra misy eo amin’ny sehatra izay sahanin’izy ireo no tanjona amin’izany.

Tonga nanome voninahitra sy nisolotena an’Andriamatoa Ministra TINOKA Roberto nandritra izany ny Tale misahana ny Fandraharahana sy ny Asa ho an’ny Tanora (DEEJ) eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Arlette RAHARIJAONA.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....