Tao aorian’ny fampiofanana izay nokarakarain’ny OBS Mada ho an’ireo tanora mahakasika ny « Système d’Alerte Précoce pour la Prévention des Conflits SAP-PC na ny Rafitra fanairana hisorohana ny disadisa, dia notontosaina ao Sambava nandritra ny roa andro, ny 15 sy ny 16 novambra 2022 ny atrikasa mahakasika ny fizarana sy fifanakalozana traikefa ary ny fanaraha-maso ireo tetikasan’ny tanora eo anivon’ny mpiara-belona ho fisorohana ny disadisa amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra izay iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka misehatra eo amin’ny fanamafisana fandriampahalemana ho an’ny Faritra SAVA sy DIANA.
Fanamasina ny fampandraisana andraikitra ny tanora amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana maharitra eny amin’ny Faritra sy ny fiaraha-monina no tanjona mandritra izany ary hatokana ho fampisehoana ny vokatry ny asa nataon’izy ireo amin’ireo faritra roa voalaza ireo kosa ny andro faharoa amin’ity atrikasa ity.
Tonga nanatrika izany tany an-toerana ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY.