MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA SAVA-DIANA: FIFAMPIZARANA TRAIKEFA AMIN’NY FAMETRAHANA FANDRIAMPAHALEMANA MAHARITRA

Tao aorian’ny fampiofanana izay nokarakarain’ny OBS Mada ho an’ireo tanora mahakasika ny « Système d’Alerte Précoce pour la Prévention des Conflits SAP-PC na ny Rafitra fanairana hisorohana ny disadisa, dia notontosaina ao Sambava nandritra ny roa andro, ny 15 sy ny 16 novambra 2022 ny atrikasa mahakasika ny fizarana sy fifanakalozana traikefa ary ny fanaraha-maso ireo tetikasan’ny tanora eo anivon’ny mpiara-belona ho fisorohana ny disadisa amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra izay iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka misehatra eo amin’ny fanamafisana fandriampahalemana ho an’ny Faritra SAVA sy DIANA.

Fanamasina ny fampandraisana andraikitra ny tanora amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana maharitra eny amin’ny Faritra sy ny fiaraha-monina no tanjona mandritra izany ary hatokana ho fampisehoana ny vokatry ny asa nataon’izy ireo amin’ireo faritra roa voalaza ireo kosa ny andro faharoa amin’ity atrikasa ity.

Tonga nanatrika izany tany an-toerana ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....