Notanterahana tao Sambava, ny faha 16 novambra 2022, ny andro faharoa nampisehoana ireo vokatry ny asa nataon’ireo tanora nandritra ny iray taona izay nanatanterahana ny tetikasa ObsMada.
Tetikasa izay vatsian’ny PBF na Peace Building Fund, arindran’ny PNUD ary iaraha-manatanteraka amin’ny ONG maro samihafa eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Nandritra ny fampisehoana ireo tetikasa efa natomboka sy mbola hotohizana dia nanao haitaky tamin’ny fitondram-panjakana ireo tanora ireo.
Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany ny solontenam-panjakana tao an-toerana izay notarihan’ny Governoran’ny Faritra SAVA, ny DRJS SAVA sy DIANA ary ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY.