MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA VATOVAVY SY FITOVINANY: FIDINANA IFOTONY

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny delegasionan’ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale jeneraly misahana ny Tanora sy ireo teknisiana avy ao amin’ny UNFPA izay anisan’ny mpanohana ny tanora amin’ny resaka fahasalamana sy fanananahan’ny tanora.

Nandritra izany dia nisy ny fijerena ireo fotodrafitrasa toy ny tranoben’ny tanora ao amin’ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany, izay anisan’ireo tranoben’ny tanora tohanan’ny UNFPA.

Mankasitraka ny association RAZANAMANGA izay miara-misalahy amin’ny alalan’ny fanohanana ataon’izy ireo amin’ny tanora ao Vatovavy toy ny: fandokoana sy fanavaozana ny tranoben’ny tanora, fampitaovana samihafa ho fampialana voly ary fianarana ho an’ ny tanora.

Ny fisian’ny Tranoben’ny tanora dia mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tanora Malagasy toy ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy vohoka aloha loatra, ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ary fahasalamana ara-pananahan’ny tanora. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo ao amin’izany ivotoerana izay fampialana voly, ary ny fisian’ny toerana fizahana fahasalamana ho azy ireo.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...