Ho fanomanana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahana eto Madagasikara ny taona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faha 05 desambra 2022, Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, niaraka tamin’ ireo tompon’andrakitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
ATRIKASA IADIANA AMIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA MANIMBA NY TANORA MALAGASY.
Notanterahana ny 29 aprily 2023, tao amin'ny kianja Barea Mahamasina, ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety narahina atrikasa mahakasika ny ady amin'ny fidorohana zava-mahadomelina isan'izany ny "Rôrô", izay niarahana tamin'ny fikambanana Tanora maro samihafa....