Ho fanomanana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahana eto Madagasikara ny taona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faha 05 desambra 2022, Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, niaraka tamin’ ireo tompon’andrakitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
TARANJA HANDBALL : FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY
Tonga niarahaba sy nirary soa an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, amin'izao nanendrena azy hitantana ny Minisitera izao ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Handball, Ramatoa RAHERIARIJAONA Regina Clarisse, ny 17 aprily 2023. Noresahana...