Ho fanomanana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahana eto Madagasikara ny taona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faha 05 desambra 2022, Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, niaraka tamin’ ireo tompon’andrakitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
MIXED MARTIAL ARTS DE MADAGASCAR: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY
Nanatanteraka fitsidihina tamin'ny fomba fanajana an' Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena ireo solontenan'ny Association MMA izay tarihin'ny Filohany, Andriamatoa Luc ANDRIAMABAHOAKA. Fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fanomanana...